Acts 2

1Nony tonga ny andron’ny Pantekosta, niangona tamin’ny toerana iray izy rehetra. 2Tampoka teo avy any an-danitra nisy feo toy ny rivotra mahery nifofofofo, ary nameno ny trano manontolo izay nipetrahan’izy ireo izany. 3Nisy afo niendrika lela maro izay nizarazara, ary nipetraka teo ambonin’izy ireo tsirairay avy. 4Izy rehetra dia feno ny Fanahy Masina ary nanomboka niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araky ny nomen’ny Fanahy Masina hitenen’izy ireo.

5Ary nisy Jiosy izay nipetraka tao Jerosalema, olon’Andriamanitra, avy amin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra. 6Rehefa nandre izany feo izany, dia tonga niraka ireo vahoaka sady sahiran-tsaina satria ny tsirairay dia samy nandre azy ireo niteny tamin’ny fiteniny avy. 7Izy ireo dia talanjona sy gaga; niteny hoe: “Marina, fa tsy ireo rehetra miteny ireo ve no Galileanina?

8Nahoana no maheno azy ireo isika, amin’ny fitenintsika tsirairay avy izay naha lehibe antsika? 9Partianina sy Medianina ary Elemita, ary ireo izay mipetraka any Mesopotamia, any Jodia sy Kapadokia, any Ponto sy Asia, 10Frygia sy Pamfylia, any Egypta ary Libya hatrany amin’i Kyrena, ary ireo mpitsidika avy any Roma, 11Jiosy sy Proselyta, Kreatana sy Arabo, dia rentsika miresaka amin’ny fitenintsika momba ny asa lehibe ataon’Andriamanitra.”

12Izy ireo dia gaga ary sahiran-tsaina; ary nifampiresaka izy ireo hoe: “Inona no dikan’izany?” 13Fa ireo sasany naneso sady niteny hoe: “Izy ireo dia mamon’ny divay vaovao.”

14Fa i Petera nitsangana niaraka tamin’izy iraik‘ambin’ny folo, nampiakatra ny feony, ary nilaza tamin’izy ireo hoe: “Ry lehilahin’i Jodea sy ianareo rehetra izay mipetraka eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, tandremo ireo teniko. 15Ho an’ireo olona tsy mamo araka izay heverinareo, fa vao ora fahatelo amin’ny andro izao.

16Fa izao ilay voalaza tamin’i Joela mpaminany: 17‘Amin’ny andro farany,’ Andriamanitra miteny hoe: ‘Halatsako amin’ny olona rehetra ny Fanahiko. Ireo zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy dia haminany, ny zatovonareo dia hahita fahitana, ary ny anti-dahinareo hanofy nofy.

18Toy izany koa ny amin’ireo mpanompoko lahy sy ny mpanompoko vavy amin’ireo andro ireo. Halatsako ny Fanahiko, ary izy ireo dia haminany. 19Izao dia hampiseho zava-mahagaga eny amin’ny lanitra ambony sy famantarana eny amin’ny tany ambany, rà, afo, ary enton-tsetroka.

20Ny masoandro dia ho lasa haizina ary ny volana ho lasa rà, mialohan’ny andro lehibe sy miavaka hiavian’ny Tompo. 21Ary ny olona rehetra izay miantso ny anaran’Andriamanitra dia ho voavonjy.

22Ry olon’Israely, henoy izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, ilay olona nampisehoana anareo tamin’ny alalan’Andriamanitra mba ho marina amin’ireo asa lehibe, ireo fahagagana, ary ireo famantarana izay nataon’Andriamanitra taminy teo afovoanareo, araka ny fantatrin’ny tenanareo. 23Io lehilahy io dia natolotry ny drafitr’Andriamanitra izay efa nomanina mialoha sy ny fahalalany, ary ny tanan’ny mpandika lalàna sy ianareo, namono azy tamin’ny famantsihana azy teo amin’ny hazo fijaliana. 24Fa Andriamanitra nanangana Azy, nanafaka Azy tamin’ireo fanaintainan’ny fahafatesana, satria sarotra ho Azy ny niala tamin’izany.

25Fa i Davida miteny momba azy hoe, ‘’Nahita ny Tompo teo anoloako mandrakariva aho, fa eto an-tanan-kavanako Izy ka tsy tokony hangozohozo aho. 26Dia tena faly ny foko ary niravoravo ny lelako. Ary ihany koa, ny nofoko hivelona amin’ny fahatokiana.

27Fa tsy nilaozanao ho any amin’ny Fiainan-tsy hita ny fanahiko ary tsy hamela ny Iray Masinao ho lo ianao. 28Nampahafantatra ahy ireo lalan’ny fiainana Ianao; Ianao dia hameno fifaliana ahy amin’ny endrikao.’

29Ry rahalahy, afaka miresaka aminareo am-pitokiana momba an’i Davida Patriarika aho: efa maty izy no nalevina, ary ny fasany dia eto amintsika mandrak’androany. 30Noho izany, mpaminany izy ary fantany fa efa nianiana taminy Andriamanitra, fa ny taranany no ho eo amin’ny seza fiandrianany. 31Efa hitany izany dia niresaka momban’ny fitsangananan’i Kristy tamin’ny fahafatesana, ‘sady izy tsy navela tao amin’ny fiainan-tsy hita, no tsy nanao ny nofony ho tratrin’ny fahaloavana.’

32Io Jesosy io-Andriamanitra no nanangana Azy, ka vavolombelon’izany izahay rehetra. 33Noho izany rehefa nasandratry ny tanan‘ankavanan’Andriamanitra Izy dia nandray ny Fanahy Masina nampanantenaina avy tamin’ny Ray, efa narotsany izany, izay hitanareo sy renareo.

34Fa i Davida dia tsy niakatra tany an-danitra, fa izy niteny oe: ‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko, ‘’mitoera eto an-tanako ankavanako, 35mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.‘‘’ 36Noho izany, aoka ho fantatry ny rehetra indrindra ny tranon’ Israely fa Andriamanitra no nanao Azy ho Tompo sy Kristy, ilay Jesosy izay nombohanareo.‘’

37Ary raha nandre izany izy ireo, voatsindrona ny fon’izy ireo, ary niteny tamin’i Petera sy ireo apostoly ambiny hoe: ‘’Rahalahy, inona no tokony ho ataonay?‘’ 38Avy eo Petera niteny tamin’izy ireo hoe: ‘’Mibebaha manaova batisa, ianareo tsirairay avy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ho famelana ny fahotanareo, sy handraisanareo ny fanomezan’ny Fanahy Masina. 39Fa ny fampanantenana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ireo rehetra izay lavitra, ka ho betsaka ireo olona izay ho antsoin’ ny Tompo Andriamanintsika.‘’

40Niaraka tamin’ny teny maro hafa no nijoroany ho vavolombelona sy nandrisihany azy ireo; nilaza izy hoe, ‘’Vonjeo ny tenanao amin’ity taranaka ratsy fanahy ity. ‘’ 41Ary izy ireo nandray ny teniny ka natao batisa, ary tokony fanahin’olona teo amin’ny telo arivo teo ho eo no nampiana tamin’io andro io. 42Nanohy sy niharitra ny asa fitoriana sy ny fampianaran’ny apostoly izy ireo, teo amin’ny fanampahana ny mofo sy ny fivavahana.

43Tonga teo amin’ny fanahin’ny tsirairay tahotra, ary fahagagana sy famantarana maro no vita tamin’ny alalan’ny apostoly. 44Ireo rehetra nino dia niangona ary nanana zavatra nitovy, 45ary izy ireo dia nivarotra ny taniny sy ny fananany ka nizara izany tamin’izy rehetra, arak’izay nilainy avy.

46Ary isan’andro isan’andro dia nitohy nanompo tamin’ny fomba fijery mitovy tao an-tempoly izy ireo, sy nanapaka ny mofo tao an-trano, ary nizara sakafo tamim-pifaliana sy fo feno fanetren-tena; Nidera an’Andriamanitra ary nahazo fankasitrahana tamin’ny olona rehetra. Isan’andro ny Tompo dia nanampy ny isan’ireo izay voavonjy.

47

Copyright information for PltULB